Titra, kara-tany, kadasitra, réquisition : aza afangaro
Raha misy manome taratasy anao ary milaza hoe « ara-dalàna ny tany ». Tsarovy fa tsy mitovy ny fiarovana omen'ny ireo taratasy tsirairay avy ireo.
- Titra (titre foncier) : voasoratra ara-dalàna ny tany. Misy numero mazava, voatsatoka vato ary mazava tsara ny velarany. Io no taratasy azo antoka indrindra.
- Kara-tany (certificat foncier) : omen'ny birao ifotony momba ny fananan-tany (guichet foncier) ao amin'ny kaominina, manamarina zo amin'ny tany saingy tsy misy vato mamaritra ny velaran-tany. Mety tsy ho eken'ny banky atao antoka.
- Tany voakadasitra : nomena tamin'ny alalan'ny didim-pitsarana nandritra ny kadasitra. Mbola tsy maintsy avadika ho titra.
- Réquisition : fangatahana hanaovana titra mbola mandeha.
Torohevitray : Alohan'ny handoavanao vola, fantaro tsara hoe inona marina ilay taratasy, ary asaivo hamarinina any amin'ny sampan-draharaha mahefa.