Ny fitsirihina momba ny tany
Inona no ho azonao?
Manao fitsirihina any amin'ny Fananan-tany (Domaines), Conservation foncière ary Topografia izahay. Ny tatitra dia milaza:
- ny tompon-tany voasoratra ao amin'ny titra;
- ny vesatra (charges) amin'ny titrao;
- ny tsy fetezana sy ny olana mety hitranga;
- ny tolo-kevitray ahatongavana amin'ny tanjonao.
Ireo dingana
- Fenoinao ny taratasy fanazavàna an-tserasera.
- Alefanay aminao ny devis.
- Soniavinao ny devis ary aloanao ny saran'ny asa. Manomboka ny asa rehefa voaray ny fandoavam-bola.
- Manao ny fitsirihina izahay eny an-toerana, ao amin'ny distrika misy ny tany.
- Alefanay aminao ny tatitra amin'ny PDF, ao anatin'ny 7 andro fiasàna.
Ary aorian'izay?
Araka ny tatitra, afaka manolotra devis fanampiana izahay.