TANYCHECKCABINET FONCIER

FAQ

Monina any ivelany aho. Afaka mangataka fitsirihina ve?

Eny. Azo atao avy lavitra daholo, manomboka amin'ny taratasy ka hatramin'ny tatitra. Azo atao ny antso amin'ny fotoana voatondro, angatahina amin'ny WhatsApp.

Tsy manana ny laharan'ny titra aho. Inona no atao?

Soraty ao amin'ny taratasy ny coordonnées GPS n'ny tany. Hanao famantarana (identification) aloha izahay, Analamanga ihany. Jereo ny vidiny.

An'ny fianakaviako ny tany. Afaka mangataka ve aho?

Eny. Zonao ny mangataka vaovao momba ny tany iray. Manome ny vaovao ofisialy voarakitra amin'ny bokim-pananan-tany ihany zany ary tsy misy fiantraikany amin'ny raharaha mandeha.

Mamaha ny olana hita ve ny fitsirihina?

Tsia. Mampahafantatra anao ny olana mety mitranga ihany mba hahafahanao manapa-kevitra.

Tsy maintsy manome ny taratasy tany am-boalohany (originaux) ve aho?

Tsia. Ny scan na photocopie ihany no ampiasainay. Any amin'ny notera na ny sampana Fananan-tany ihany no mandray taratasy am-boalohany, ary miaraka aminao na ny solontenanao.

Mijanona ho tsiambaratelo ve ny mombamomba ahy?

Eny. Ny fitantanana ihany no mijery azy, ary ny laharan'ny titra ihany no hitan'ny mpanolotsainay. Ny antsipiriany ao amin'ny fampahalalana ara-dalàna.

Mividy na mivarotra tany ve ianareo?

Tsia. Raha manaiky ianao, afaka mampifandray anao amin'ny mpanjifa hafa manana filàna mifanaraka amin'ny anao izahay, na amin'ny agence immobilière.

Mila fitsirihina